Nankatoavina sy nosoniavin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, omaly, ny taratasy mirakitra ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny Komity teknika ho an’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny didim-pitondrana laharana faha-29037/2026. Miisa 39 izy ireo no mandrafitra izany komity izany, mitsinjara amin’ny sokajy samihafa. Voasolo tena ny andrimpanjakana voakasika, ny rafitra isan-tsokajiny, ny fiangonana […]
Taratra
Rafi-panjakana federalisma: tsy mitovy hevitra ireo mpanao politika
Samy manana ny ambarany ny mpanao politika mahakasika ny federalisma. Misy ny resy lahatra fa vahaolana hoenti-mampandroso izany. Misy ny manamafy fa ho fototry ny adim-poko izy io. “Tsy zaka ny hoe federalisma. Hisy governemanta firy hatao isam-paritra? Nefa mahantra ny firenena… Aiza ny vola enti-manana an’izany?”. Io ny fanehoan-kevitry […]
Tselatra
Voasambotra ny lehilahy iray zanak’ilay ramatoa nitondra vola sandoka tao Vohiposa, kaominina Ambohimahasoa, ny alarobia 2 aogositra teo. Nahatrarana vola sandoka 20 000 Ar miisa 15 ity renim-pianakaviana ity. Tafaporitsaka nandritra ny fisamborana ny zanak’ity farany. Voasambotra ilay lehilahy taorian’ny fikarohana. Saron’ny zandary ny rongony 600 kg notaterin’ny lehilahy miisa […]
Telo lahy navadiky ny lakana: namoy ny ainy ny iray
Hita omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, tao amin’ny ranon’Alaotra, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro, ny vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray manodidina ny 20 taona. Nandeha lakana niaraka tamin’ny tovolahy miisa roa izy ny harivan’ny alarobia 2 septambra, tokony ho tamin’ny 7 ora teo. Nandeha lakana avy ao Andromba ary […]
Moto nandeha mafy sy fiara nivadika Lehilahy iray namoy ny ainy, fito hafa naratra
Niharan-doza tetsy amin’ny lalam-baovao mihazo an’ Ivato, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, ny mpitondra moto iray. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy ity lehilahy tra-doza ity. Tsy voaviliny ny familiana ka nianjera sy nitrosona tamin’ny tany izy. Naratra mafy noho ny dona nahazo azy izy ary novonjena haingana […]




